Raha mametraka fanontaniana amin'ny mpandalo isika hoe inona no atao hoe fiangonana, ny valiny ara-tantara mahazatra dia ny hoe io no toerana handehanan'ny olona iray amin'ny andro iray ao anatin'ny herinandro mba hivavaka amin'Andriamanitra sy hifanerasera ary handray anjara amin'ny fandaharan'ny fiangonana. Raha manao fanadihadiana an-dalambe isika ary manontany hoe aiza ny fiangonana, dia maro no mety hieritreritra ireo fiangonana malaza toy ny fiangonana katolika, protestanta, ortodoksa na batista ary mampifandray azy ireo amin'ny toerana na trano iray manokana. Raha tiantsika ny hahatakatra ny toetry ny fiangonana dia tsy afaka mametraka fanontaniana hoe inona ary aiza. Tsy maintsy mametraka ny fanontaniana hoe iza...